Publicité

Mardi 2 septembre 2008
Izaho " GRAMMAIRE" no tena Mpanjaka ,
Mpanjakan'ny boky sy tompon'ny laka
Ny didy , lalàna avoakan'ny saiko ,
Tsy maintsy ekena , izaho no mpibaiko .



              Izaho no mpampianatra tsy mba mandainga
              Porofon'izany , vaventy ny bainga ,
              Na iza na iza maniry hahay ,
              Dia izaho no tsy maintsy ho tompon'izay .



Ny teny rehetra izay tsy ara-dalàna ,

Amoahako didy tsy maintsy hovàna .
Ka raha tsy ahitsy dia manjary " faute" ,
Ka tonga  tsy " max " intsony ny " notes " .


        Ny fomba fanoratra , ny fomba fiteny ,
              Dia izaho no ahaizana tsara ireny ,
              Izaho no mpibaiko ireo " littérateurs " ,
              Sy ny ati-dohan'ireo   " operateur " .


Izaho irery ihany no atao tarigetra
Ambany daholo ny boky rehetra .




                                   RAOBELISON Andriamampionona Armand .
Par RANDRANA - Publié dans : boky fianarana
Ecrire un commentaire - Voir les 1 commentaires - Recommander
Mardi 2 septembre 2008
Boky fianarana re! no hitàfa ,
Mitondra ny lazany izay samihafa .
Ny fahamboniany no tiany hambara ,
Indro hitàfa ,ka ho hita izay ho tsara  .



(Tondroiny)  : Grammaire , ny Sciences ary  Arithmetique ,
                         Lecture , Histoire  sy Géographie .
                         Itsy  Technique ,iry  boky Musique ,
                         Ny Dictionnaire iry farany iry .





Samy malaza sy samy tsy ratsy ,
Samy mpibitaka k'aoka hifamantsy .
Hampiady fahaizana sy fahendrena ,
Ka dia ho hita izay tsy azo resena .


                                                                                                                      
Dia omankomany ary 'zato kabary ,
Ataovy antso avo ho re miariary .
Ka lazalazao izato fahamboniana ,
Fa ny olon-kihaino efa liana dia liana
.




                                    RAOBELISON  Andriamampionona Armand .
Par RANDRANA - Publié dans : boky fianarana
Ecrire un commentaire - Voir les commentaires - Recommander
Mardi 2 septembre 2008
Tonga soa ireto olona nandrasana
Ny vahiny havantsika avy lavitra
Koa andeha mba hifaly ,
Re! Isika mianakavy ,
Fa ity no andro iray 
Maminay !



Fiv :
Nahoana kanefa raha toa ka mifaly ,
        Hoy aho , mitsiky marevaka .
        Ny andro mandalo ,ka mba falifaly  ,
        Ianao aza dia mitorevaka  .
        Mandihiza ary mitsikia ,
        Eny aoka mba hifankatia
.
        Mitehafa ary mihomeheza  hoe :
        Ha! ,ha!, ha!, hi! .



Araraoty amin'izao ny dihin-drazana ,
F'efa vory hatry ny ela ny mpitazana
Asampino ny lambanao ,
Alatsio koa ny tànanao .
Mitehafa ry ankizy ,
Izay tsy izy .



Fiv : Nahoana kanefa raha toa ka mifaly ,

                        RAOBELISON Andriamampionona Armand .
Par RANDRANA - Publié dans : hira
Ecrire un commentaire - Voir les commentaires - Recommander
Mardi 26 août 2008

           ** ** **Dia faly miarahaba anareo 'zay tafiditra ato anatin'ity takelaka RANDRANA  vaovao ity ,izay nasiana fanavaozana goavana .

          
Noho ny lafiny ara-teknika moa dia voatery niova takelaka bilakarenjy satria very tsy voatahiry daholo ireo asa-soratra sy tonokalo ,vokatry ny kojakoja teknika tsy voarindra .


          Dia manantena ny fiarahana aminareo eto indray izany ,ary mirary anar
eo hamaky finaritra sy ahazo fahafinaretana ary fahalalàna .


            Misaotra anareo amin'ny fitsidihana ny takelaka RANDRANA .





               
bilakarenjy .



Par RANDRANA
Ecrire un commentaire - Voir les 2 commentaires - Recommander

Présentation

Recherche

Créer un Blog

 
Créer un blog sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus