Mardi 2 septembre 2008
2
02
/09
/2008
20:41
Boky fianarana re! no hitàfa ,
Mitondra ny lazany izay samihafa .
Ny fahamboniany no tiany hambara ,
Indro hitàfa ,ka ho hita izay ho tsara .
(Tondroiny) : Grammaire , ny Sciences ary Arithmetique ,
Lecture , Histoire sy Géographie .
Itsy Technique ,iry boky Musique ,
Ny Dictionnaire iry farany iry .
Samy malaza sy samy tsy ratsy ,
Samy mpibitaka k'aoka hifamantsy .
Hampiady fahaizana sy fahendrena ,
Ka dia ho hita izay tsy azo resena .
Dia omankomany ary 'zato kabary ,
Ataovy antso avo ho re miariary .
Ka lazalazao izato fahamboniana ,
Fa ny olon-kihaino efa liana dia liana .
RAOBELISON Andriamampionona Armand .
Par RANDRANA
-
Publié dans : boky fianarana
0
-
Recommander