Mardi 2 septembre 2008 2 02 /09 /2008 21:52
Izaho " GRAMMAIRE" no tena Mpanjaka ,
Mpanjakan'ny boky sy tompon'ny laka
Ny didy , lalàna avoakan'ny saiko ,
Tsy maintsy ekena , izaho no mpibaiko .



              Izaho no mpampianatra tsy mba mandainga
              Porofon'izany , vaventy ny bainga ,
              Na iza na iza maniry hahay ,
              Dia izaho no tsy maintsy ho tompon'izay .



Ny teny rehetra izay tsy ara-dalàna ,

Amoahako didy tsy maintsy hovàna .
Ka raha tsy ahitsy dia manjary " faute" ,
Ka tonga  tsy " max " intsony ny " notes " .


        Ny fomba fanoratra , ny fomba fiteny ,
              Dia izaho no ahaizana tsara ireny ,
              Izaho no mpibaiko ireo " littérateurs " ,
              Sy ny ati-dohan'ireo   " operateur " .


Izaho irery ihany no atao tarigetra
Ambany daholo ny boky rehetra .




                                   RAOBELISON Andriamampionona Armand .
Par RANDRANA - Publié dans : boky fianarana
Ecrire un commentaire - Voir les 1 commentaires - Recommander
Retour à l'accueil

Commentaires

Mankasitraka tokoa.
Commentaire n°1 posté par Gasy tsy very le 22/09/2008 à 23h50

Présentation

Recherche

Créer un Blog

 
Créer un blog sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus