Mercredi 3 septembre 2008
Tandremo ny vava ry "Giran-dRamera "
Mba fidifidio lahy ny vokabilera ,
Mieritrereta vao mifanebaka .
Aza vavàna toa haron-tabebaka .
Indro henoy ,fa izaho no mpitarika ,
"ARITHMETIQUE" mpampianatra marika.
Izaho no mpanoro ny kaonty rehetra
Ny "plus" , ny "moins" ,multiples" , etsetra .
"Poids et mesures" sy "capacités " ,
"Tant pour cent " , "escompte" , "intérêts " .
"La
fraction " ary koa "densité" ,
Ireo "alliage " mba takatr'ise ?
Ny mpianatro ihany no tena "capables" ,
Fa "secrétaires " sy tonga "comptables" ,
Manoratra "comptes" , mpanisa ny vola ,
Mahay "calcul" ,ka tsy mba tola .
K'izaho no tena mpanjakan'ny boky ,
Izay tsy ampianariko tsy mba ho voky .
RAOBELISON
Andriamampionona Armand .
Par RANDRANA
-
Publié dans : boky fianarana
0
-
Recommander