Vendredi 5 septembre 2008
Mangina
ny vava fandrao dia voapaika
Mba mieritrereta ,fa aza dia maika ,
Eo ka mibetroka mandrahondrahona ,
Aoka fa itony no "élèves" - ny sahona .
Aza miteny manao sahisahy ,
Henoy sy fantaro,fa ts'isy hoatr'ahy ,
Izaho " LECTURE" no ambony indrindra ,
Ny teny voalahatro tena mirindra .
Raiketiko tsara ,ka he! mampitsetra ,
Ny soratry ny olo-malaza rehetra ,
Hugo ,ry Vigny ,Musset sy Montaigne ,
Ry Lamartine ary koa la Fontaine .
Tsy azoko adinoina ry Rabearivelo ,
Sahy namoaka ireo tsiambaratelo ,
Ramanantoanina sy ry Rabary ,
Nampiseho ny talentan'ilay Nahary .
Ambony dia ambony ny zavatra haiko ,
Mpampianatra ankizy hahay teny baiko ,
D'ireny no lasa ho "fonctionnaires " ,
Ka "écrivains " na ho " gouverneurs " .
Izaho "LECTURE" no hita f'ambony ,
Ny ambony hoatr'ahy toa tsy hitako intsony .
RAOBELISON Andriamampionona Armand .
Par RANDRANA
-
Publié dans : boky fianarana
2
-
Recommander