Lundi 10 novembre 2008 1 10 11 2008 20:21
Ha! ha! ha! , 'zato resak'ankizy ,
Loha poak'aty ka be ambozizy ,
Dia te-hidingina toa rambon'osy ,
Ny volony anefa tsy ampy borosy .


Tsy fantatrareo mantsy aho ry zaza ,
Izaho no ra-"SCIENCES" tompon'ny laza ,
Ny fahalalàko dia tsy misy fetra ,
Hany ka haiko ny zava-drehetra .


Ny zava-boahary ambonin'ny tany ,
Na vato ,na biby ,na ahitra izany ,
Masoandro amam-bolana sy ny habakabaka ,
Haiko lazaina tsy misy avakavaka .


Ny zava-mivaingana dia ny "solide" ,
Ny ranony kosa "fluide" sy "liquide" ,
"Radio" sy ny "Radar" , "rayons cosmique" ,
Dia haiko k'ampiako ny "bombe atomique" .


Ny tena mpanjaka dia izaho ra-"SCIENCE" ,
Ny sisa rehetra dia "ordonnances" .



                                             RAOBELISON Andriamampionona Armand .
Par RANDRANA - Publié dans : boky fianarana
Ecrire un commentaire - Voir les 1 commentaires - Recommander
Retour à l'accueil

Commentaires

hahaha, iny rambon'osy tsy ampy borosy iny indray no mbola tsy reko. Misaotra fa mitombo ny hay e.
Commentaire n°1 posté par ikalamako le 11/11/2008 à 22h40

Présentation

Recherche

Créer un Blog

 
Créer un blog sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus