Adray ! adray! izato hevitrareo ,
Manondro ny lanitra ka mankaleo ,
Dia te-hirediredy mandany fotoana ,
milaza ho lohany ,lohany foana .
Jereo tsara ka henoy sy ekeo ,
Tsy izy daholo ny teninareo ,
Izaho no tena mpanjaka ry 'reto
a!, Izany ny marina ka mba raiketo .
Izaho no mpilaza ny toetrin'ny tany ,
Na avo ,na iva dia fantatro izany ,
Izaho no mpampianatra ny te-hahalàla ,
Ny havoana ,ny mponina , ny ony ,ny ala .
Izaho no ambony ka sahy mihantsy ,
Ra-"GEOGRAPHIE" no anarako mantsy ,
Ireo ranomasina toa tsisy fara ,
Sy ny tany rehetra .... fantatro tsara .
"Asie" sy "Europe" ary ilay "Afrique" ,
"Australie" s'ireo "Amerique" ,
Ny "Antarctique" sy ny "Arctique" ,
Manarak'izany dia ny "Pacifique" .
Ny hany mpanjaka d'izaho irery ihany ,
Fa ny fahalalako mametra ny tany .