Lundi 10 novembre 2008
1
10
11
2008
22:14
Dray ! dray! dray! ,zato vavanareo ,
Mangina !,mangina ! atsaharo ny feo ,
Tsy misy "accord" !,tsy misy "mesure" ,
Minaonaona toa voan'ny "délires" .
Clés samihafa ka dia afangaro ,
Madilo ny sofiko ka dia atasaharo ,
F'izaho mpampianatra hira henoina ,
Ny fahamboniako tsy azo hamboina
.
Izaho no ra-"Livres de musique" ,
No tompon'ny laza tsy misy tomika ,
Izaho no mpamorona feom-paradisa ,
Mandresy ny senton'ireo disadisa .
Ny hevitareo
mampilonjy ny saina ,
Ny hirako kosa mamelona ny aina ,
Ka ny "mesure"-ko tian-dry Rafotsy ,
Ny "valse lente"-ko mandrotsirotsy .
Kajiko ho haja ireo tsy ho lefy ,
Nataon'ireo olona telonohorefy ,
Sankey ,Handel ,Wagner ,Grisard ,
Verdi ,hummel ,Aubert , Mozart .
Izaho no
andrin'ny boky eto an-tany ,
Ny tsiron'ny hirako tsy mety lany .
RAOBELISON Andriamampionona Armand .
Par RANDRANA
-
Publié dans : boky fianarana
0
-
Recommander