"Taisez-vous " ....ry lava kabary ,
"Ne faites pas de bruits" ....mankarary ,
Asio "frein" re! ny feo sy ny vava ,
Fandrao voa "frappe" ,ka vilana tàva .
Raha izaho Andriana no tsiratsiraina ,
Tsy omeko ny teniko ,avelako hangaina ,
Ny teny rehetra "propriété"-ko ,
Vitako "borne" ka tsy omeko .
'Reo fahaizana maro tononinareo ,
Dia ananako be ,mbolatsy ampy aza ireo ,
Ny teny ,na fahalalana tsy anànako ,
Dia mbola tsy misy matoa tsy voatanako .
Inona ange 'zato vavanareo ???
Gisa mangalatra indray no avo feo ,
F'angaha izy ity fanjakan'i Baroa ,
Ka hoe : 'zaho koa !, 'zaho koa !,zaho koa ! .
Tsarovy ,tsarovy ,fa izaho irery ihany ,
Izaho "DICTIONNAIRE" no tompon'ny tany ,
Izaho no ray aman-dreninareo ,
Ny vava mipetsona ,ferako hatreo .
Izaho no dadan'ny boky eto an-tany ,
Ny boky rehetra dia zanako ihany . "COMPRIS ?".
RAOBELISON Andriamampionona Armand .
Mingonongonona tsy ifandrenesana ny hoe : NON !, NON! ,jamais du tout ça!,alors tu dis !
...dia velona eo ny ady saritaka ,ny mitafa tsiroaroa ,ny tsitelotelo ,be fihetsehana daholo sady mitabataba ........afaka 30 segondra