Mardi 11 novembre 2008
Miditra tampoka ny "DROIT" .Mifihifihy daholo ny boky rehetra ..........

Assez! assez! Au nom de la loi , je vous arrête ,

Ry boky madinika be tabataba ,
Vavàna marivo ,toa vilany saba ,
Papelika kely ,ka be doka tena ,
Kanefa tsy hita 'zay hoe : FAHE
NDRENA .

Henoko teo izato adinareo ,

Adin'adàla ka dia mankaleo ,
Samy kizitina be ambozizy ,

Kanefa anie ka boky fianaran'ny ankizy .



Noho ianareo efa niady tetoana ,
Dia ho tsaraina ny ady ho foana ,
Izaho no hitsara ,fa bokin-dalàna ,
"Docteurs en DROIT" ,etsy miomana .

Ity fitsarana "zéro degré" ,
Izay "compétent a droit de juger" ,
"Procès ,article  11 2000" ,
Jereo "décret premier avril" .


Ny adinareo re ry boky malala
Dia "reciproques" ,na ady sahala ,
Samy efa diso ka samy resena ,
Tsy misy mba manana 'zay FAHENDRENA .

Amin'ny sisa mahaiza miaina ,
Ka izao no tsarovy ao anatin'ny saina ,
Sahala daholo ny boky rehetra ,
Ny zava-dazainy dia samy voafetra .

Ny fahalalàna dia maro voazara ,
Ny boky rehetra no atao mpaninjara ,
Toy ny havozo sy sakamalao ,
Ny hanitra ho azy samy efa ao .

Ny boky rehetra àry dia mifameno ,
Tsy misy izay azo lazaina ho feno ,
Ka dia adalana ny ifamaliana ,
Fa tsy azo ihoarana ny FITOVIANA .



                                              RAOBELISON Andriamampionona Armand .

Par RANDRANA - Publié dans : boky fianarana
Ecrire un commentaire - Voir les 1 commentaires - Recommander
Retour à l'accueil

Présentation

Recherche

Créer un Blog

 
Créer un blog sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus