Mercredi 10 décembre 2008
Ry boky malala , atsaharo ny ady
F'izay tsy mifandefitra ,ho latsaka an-kady ,
Izato ianareo toa miseho ho mahatoky ,
Miady mafy ho mpanjakan'ny boky .



Voafetra ihany ny zava-drehetra ,
Fa ny soratra masina no tsy manam-petra ,
BAIBOLY no anarany : manan-komena ,
Mpitsabo fanahy ,mamonjy ny tena .



Ity no mpampianatra tena mahay ,
Ilay boky nodorana nefa tsy may ,
Ireo teny voarakitra an'arivo taona ,
Dia tenin'ny Tompo tsy misy mivoana .



Ilay teny fiainana , ilay teny velona ,
Ho vatsim-panahin-draolombelona ,

Tsy maintsy torina ,tsy maintsy ambàra ,
Ny soa raiketin'ny filazantsara .



Ka ny fifanampiana no hery sy toky
Fa hitsahatra hatreo ny ADIN'NY BOKY  .



Ho fehiny ,diniho any an-trano ireto :

* ROMANA 12
* I KORINTIANA  12
* I PETERA 4 :10 - 11


link   : Misy hira masina azonao henoina

                                    

                                                                RAOBELISON Andriamampionona Armand
Par RANDRANA - Publié dans : boky fianarana
Ecrire un commentaire - Voir les 3 commentaires - Recommander
Retour à l'accueil

Présentation

Recherche

Créer un Blog

 
Créer un blog sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus