Publicité

boky fianarana

Mercredi 10 décembre 2008
Ry boky malala , atsaharo ny ady
F'izay tsy mifandefitra ,ho latsaka an-kady ,
Izato ianareo toa miseho ho mahatoky ,
Miady mafy ho mpanjakan'ny boky .



Voafetra ihany ny zava-drehetra ,
Fa ny soratra masina no tsy manam-petra ,
BAIBOLY no anarany : manan-komena ,
Mpitsabo fanahy ,mamonjy ny tena .



Ity no mpampianatra tena mahay ,
Ilay boky nodorana nefa tsy may ,
Ireo teny voarakitra an'arivo taona ,
Dia tenin'ny Tompo tsy misy mivoana .



Ilay teny fiainana , ilay teny velona ,
Ho vatsim-panahin-draolombelona ,

Tsy maintsy torina ,tsy maintsy ambàra ,
Ny soa raiketin'ny filazantsara .



Ka ny fifanampiana no hery sy toky
Fa hitsahatra hatreo ny ADIN'NY BOKY  .



Ho fehiny ,diniho any an-trano ireto :

* ROMANA 12
* I KORINTIANA  12
* I PETERA 4 :10 - 11


link   : Misy hira masina azonao henoina

                                    

                                                                RAOBELISON Andriamampionona Armand
Par RANDRANA
Ecrire un commentaire - Voir les 3 commentaires - Recommander
Mardi 11 novembre 2008
Miditra tampoka ny "DROIT" .Mifihifihy daholo ny boky rehetra ..........

Assez! assez! Au nom de la loi , je vous arrête ,

Ry boky madinika be tabataba ,
Vavàna marivo ,toa vilany saba ,
Papelika kely ,ka be doka tena ,
Kanefa tsy hita 'zay hoe : FAHE
NDRENA .

Henoko teo izato adinareo ,

Adin'adàla ka dia mankaleo ,
Samy kizitina be ambozizy ,

Kanefa anie ka boky fianaran'ny ankizy .



Noho ianareo efa niady tetoana ,
Dia ho tsaraina ny ady ho foana ,
Izaho no hitsara ,fa bokin-dalàna ,
"Docteurs en DROIT" ,etsy miomana .

Ity fitsarana "zéro degré" ,
Izay "compétent a droit de juger" ,
"Procès ,article  11 2000" ,
Jereo "décret premier avril" .


Ny adinareo re ry boky malala
Dia "reciproques" ,na ady sahala ,
Samy efa diso ka samy resena ,
Tsy misy mba manana 'zay FAHENDRENA .

Amin'ny sisa mahaiza miaina ,
Ka izao no tsarovy ao anatin'ny saina ,
Sahala daholo ny boky rehetra ,
Ny zava-dazainy dia samy voafetra .

Ny fahalalàna dia maro voazara ,
Ny boky rehetra no atao mpaninjara ,
Toy ny havozo sy sakamalao ,
Ny hanitra ho azy samy efa ao .

Ny boky rehetra àry dia mifameno ,
Tsy misy izay azo lazaina ho feno ,
Ka dia adalana ny ifamaliana ,
Fa tsy azo ihoarana ny FITOVIANA .



                                              RAOBELISON Andriamampionona Armand .

Par RANDRANA
Ecrire un commentaire - Voir les 1 commentaires - Recommander
Mardi 11 novembre 2008
"Taisez-vous " ....ry lava kabary ,
"Ne faites pas de bruits" ....mankarary ,
Asio "frein" re! ny feo sy ny vava ,
Fandrao voa  "frappe" ,ka vilana tàva  .

Raha izaho Andriana no tsiratsiraina ,
Tsy omeko ny teniko ,avelako hangaina ,
Ny teny rehetra "propriété"-ko ,
Vitako "borne" ka tsy omeko .


'Reo fahaizana maro tononinareo ,
Dia ananako be ,mbola
tsy ampy aza ireo ,
Ny teny ,na fahalalana tsy anànako ,
Dia mbola tsy misy mato
a tsy voatanako .


Inona ange 'zato vavanareo ???
Gisa mangalatra indray no avo feo ,
F'angaha izy ity fanjakan'i Baroa  ,
Ka hoe : 'zaho koa !, 'zaho koa !,zaho koa ! .


Tsarovy ,tsarovy ,fa izaho irery ihany ,
Izaho "DICTIONNAIRE" no tompon'ny tany ,
Izaho no ray aman-dreninareo ,
Ny vava mipetsona ,ferako hatreo .

Izaho no dadan'ny boky eto an-tany ,
Ny boky rehetra dia zanako ihany .

"COMPRIS ?".



                                         RAOBELISON Andriamampionona Armand .

Mingonongonona tsy ifandrenesana ny hoe : NON !, NON! ,jamais du tout ça!,alors tu dis ! ...dia velona eo ny ady saritaka ,ny mitafa tsiroaroa ,ny tsitelotelo ,be fihetsehana daholo sady mitabataba ........afaka 30 segondra
Par RANDRANA
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires - Recommander
Mardi 11 novembre 2008
O! ry 'reto a! , inona ary ity resaka atao ,
Fa toa resaka tsy mankaiza akory ,
Aleo ambarako anareo ny vaovao ,
Dia henoy tsara ,fa aza matory .

Izaho "TECHNIQUE" no azo lazaina ,
Ho sangan'ny asa ,vokarin'ny saina ,
Matoa hita soritra ireo fandrosoana ,
Dia izaho no nitarika teo anolona .


Taloha dia fahita ny velaran-tany ,
'Zay ngazana ,ratsy ,tsy misy ohatr'izany ,
Mangavoka lava ,ka tsy mahaliana ,
Izao izy niova ho kindriandriana .

Ireo lalam-pota-mandrevo fahiny ,
Novako ho lalana tsy misy tsiny ,
Ka tonga maresaka ,be mpankafy ,
Sarety ,na fiara ,na soavaly vy .





Tsy hoe : be filaza aho ,na hoe : tranon-dainga ,
Fa vavolombelon'ny mpiasa ny bainga ,
Ireo jiron'aratra tsisy tomika ,
Dia vokatry ny asan'ireo "TECHNIQUE" .

Antananarivo no hita mirenty ,
Dia vokatr'ireo "TECHNIQU
E"  vaventy ,
Na trano , na lalana ,na zaridaina ,
Karazany maro tsy tambo isaina  .


Izaho mibaiko ny "ouvriers" ,
Ny "ingenieurs" , ny "journaliers" ,
Dia trano "modernes" sy tsara bika ,
No hita manaraka "TECHNIQUE" .

Fa misy ny tena manaonao foana ,
Ka sarotr'anarina ,tsy azo toroana ,
Ny zavatra vitany mora mipika ,
Satria tsy ampy "dose" ireo "TECHNIQUE" .


Izaho no sakaizan'ny za-draharaha ,
Na an-tanàna , na hoe : any an-tsaha ,
Rehefa antomoriko ,vita mirindra ,
Izaho "TECHNIQUE" no ambony indrindra .

Izaho dia misalotra anarana maro ,
Ka tandremo tsara ,fa sao mifangaro ,
Ny vokatra entiko tsy mety lany ,
Voarakitra am-boky ny fomban'izany .


Ny boky dia tena ilaina satria ,
Hita ao daholo ny "technologies" ,
"Dessins" sy "Epures" ary koa "traçages" ,
"Histoire des styles" mazava ho azy .

Santionan'ny asako izay hita ,fa tsara ,
Indro ,henoy ,raiketo ho tantara ,
Ireo orinasa izay mampiasa milina ,
Mamboatra sakafo na "automobile" .


Ny "portable" mira serasera ,
Ny "internet" sy "ordinateur" ,
Dia solon-tsaina sy "informatique" ,
Vokariko avokoa ,f'izaho no "ELITE" .

Zavatra iray no mba tiako ambara ,
Ny boky dia tena mpampianatra tsara ,
Sakaizan'ny boky ny teknisianina ,
Sakaiza amin'ny andro ,sakaiza amin'ny alina .


'Zay ratsy fitaiza an'ity "TECHNIQUE" ,
Manjary manao ,toy ny "bombe atomique" ,
Manjary papango mipoaka ny akoho ,
Manjary sakaiza mandefon'ivoho .

Ny hasin'ny "TECHNIQUE" kajio ,
'Zay no hafatra kely ampitaiko eto anio ,
Fa ny zava-drehetra  'zay ianarantsika ,
Ampitso io mivadika ho "TECHNIQUE" .


Izaho "TECHNIQUE"  no tena filoha ,
Ny sisa rehetra dia ambany avokoa ,
'Zay manenjika ahy dia izao no hiafarany ,
Tsy maintsy mifotetaka ,ambany dia ambany .

Faranako tsotra ,f'izaho "TECHNIQUE"  ,
No boky fianarana tsisy tomika .



                                            RAOBELISON Andriamampionona Armand .



















 
Par RANDRANA
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires - Recommander
Lundi 10 novembre 2008
Dray ! dray! dray! ,zato vavanareo ,
Mangina !,mangina ! atsaharo ny feo ,
Tsy misy "accord" !,tsy misy "mesure" ,
Minaonaona  toa voan'ny "délires" .

Clés samihafa ka dia afangaro ,
Madilo ny sofiko ka dia atasaharo ,
F'izaho mpampianatra hira henoina ,
Ny fahamboniako tsy
azo hamboina .

Izaho no ra-"Livres de musique" ,
No tompon'ny laza tsy misy tomika ,
Izaho no mpamorona feom-paradisa ,
Mandresy ny senton'ireo disadisa .


Ny hevitareo mampilonjy ny saina  ,
Ny hirako kosa mamelona ny aina ,
Ka ny "mesure"-ko tian-dry Rafotsy ,
Ny "valse lente"-ko mandrotsirotsy .


Kajiko ho haja ireo tsy ho lefy ,
Nataon'ireo olona telonohorefy ,
Sankey ,Handel ,Wagner ,Grisard ,
Verdi ,hummel ,Aubert , Mozart .


Izaho no andrin'ny boky eto an-tany ,
Ny tsiron'ny hirako tsy mety lany .



                                       RAOBELISON Andriamampionona Armand .
Par RANDRANA
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires - Recommander

Présentation

Recherche

Créer un Blog

 
Créer un blog sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus