8- MUSIQUE

Publié le par RANDRANA

Dray ! dray! dray! ,zato vavanareo ,
Mangina !,mangina ! atsaharo ny feo ,
Tsy misy "accord" !,tsy misy "mesure" ,
Minaonaona  toa voan'ny "délires" .

Clés samihafa ka dia afangaro ,
Madilo ny sofiko ka dia atasaharo ,
F'izaho mpampianatra hira henoina ,
Ny fahamboniako tsy
azo hamboina .

Izaho no ra-"Livres de musiques" ,
No tompon'ny laza tsy misy tomika ,
Izaho no mpamorona feom-paradisa ,
Mandresy ny senton'ireo disadisa .

Ny hevitareo mampilonjy ny saina  ,
Ny hirako kosa mamelona ny aina ,
Ka ny "mesure"-ko tian-dry Rafotsy ,
Ny "valse lente"-ko mandrotsirotsy .

Kajiko ho haja ireo tsy ho lefy ,
Nataon'ireo olona telonohorefy ,
Sankey ,Handel ,Wagner ,Grisard ,
Verdi ,hummel ,Aubert , Mozart .

Izaho no andrin'ny boky eto an-tany ,
Ny tsiron'ny hirako tsy mety lany .

RAOBELISON Andriamampionona Armand .

Publié dans boky fianarana

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
R

Tsara ny fitoriana filazantsara raha tena mitory ny famonjena marina tokoa. Mampahery izay rehetra mandray anjara amin'izany aho. Raha toa kosa ka hoentina manao fiantsihana na anafenana
hevitra tsy mivantana dia tsy ho fitoriana "Filazantsara" intsony no atao fa zavatra hafa. Manantena aho fa amin'ny fisainana mazava no andraisan'ny mpamaky izao zavatra ambarako eto izao.
Misaotra mialoha.

Répondre