9- TECHNIQUE

Publié le par RANDRANA

O! ry 'reto a! , inona ary ity resaka atao ,
Fa toa resaka tsy mankaiza akory ,
Aleo ambarako anareo ny vaovao ,
Dia henoy tsara ,fa aza matory .

Izaho "TECHNIQUE" no azo lazaina ,
Ho sangan'ny asa ,vokarin'ny saina ,
Matoa hita soritra ireo fandrosoana ,
Dia izaho no nitarika teo anoloana .


Taloha dia fahita ny velaran-tany ,
'Zay ngazana ,ratsy ,tsy misy ohatr'izany ,
Mangavoka lava ,ka tsy mahaliana ,
Izao izy niova ho kindriandriana .

Ireo lalam-pota-mandrevo fahiny ,
Novako ho lalana tsy misy tsiny ,
Ka tonga maresaka ,be mpankafy ,
Sarety ,na fiara ,na soavaly vy .





Tsy hoe : be filaza aho ,na hoe : tranon-dainga ,
Fa vavolombelon'ny mpiasa ny bainga ,
Ireo jiron'aratra tsisy tomika ,
Dia vokatry ny asan'ireo "TECHNIQUE" .

Antananarivo no hita mirenty ,
Dia vokatr'ireo "TECHNIQU
E"  vaventy ,
Na trano , na lalana ,na zaridaina ,
Karazany maro tsy tambo isaina  .


Izaho mibaiko ny "ouvriers" ,
Ny "ingenieurs" , ny "journaliers" ,
Dia trano "modernes" sy tsara bika ,
No hita manaraka ny "TECHNIQUE" .

Fa misy ny tena manaonao foana ,
Ka sarotr'anarina ,fa eee!,tsy azo toroana ,
Ny zavatra vitany mora mipika ,
Satria tsy ampy "dose" ireo "TECHNIQUE" .


Izaho no sakaizan'ny za-draharaha ,
Na an-tanàna , na hoe : any an-tsaha ,
Rehefa antomoriko ,vita mirindra ,
Izaho "TECHNIQUE" no ambony indrindra .

Izaho dia misalotra anarana maro ,
Ka tandremo tsara ,fa sao mifangaro ,
Ny vokatra entiko tsy mety lany ,
Voarakitra am-boky ny fomban'izany .


Ny boky dia tena ilaina satria ,
Hita ao daholo ny "technologies" ,
"Dessins" sy "Epures" ary koa "traçages" ,
"Histoires des styles" mazava ho azy .

Santionan'ny asako izay hita ,fa tsara ,
Indro ,henoy ,raiketo ho tantara ,
Ireo orinasa izay mampiasa milina ,
Mamboatra sakafo na "automobiles" .


Ny "portable" ,mira serasera ,
Ny "internet" sy "ordinateur" ,
Dia solon-tsaina sy "informatique" ,
Vokariko avokoa ,f'izaho no "ELITE" .

Zavatra iray no mba tiako ambara ,
Ny boky dia tena mpampianatra tsara ,
Sakaizan'ny boky ny teknisianina ,
Sakaiza amin'ny andro ,sakaiza amin'ny alina .


'Zay ratsy fitaiza an'ity "TECHNIQUE" ,
Manjary manao ,toy ny "bombe atomique" ,
Manjary papango mipoaka ny akoho ,
Manjary sakaiza mandefon'ivoho .

Ny hasin'ny "TECHNIQUE" kajio ,
'Zay no hafatra kely ampitaiko eto anio ,
Fa ny zava-drehetra  'zay ianarantsika ,
Ampitso io mivadika ho "TECHNIQUE" .


Izaho "TECHNIQUE"  no tena filoha ,
Ny sisa rehetra dia ambany avokoa ,
'Zay manenjika ahy dia izao no hiafarany ,
Tsy maintsy mifotetaka ,ambany dia ambany .

Faranako tsotra ,f'izaho "TECHNIQUE"  ,
No boky fianarana tsisy tomika .



                                            RAOBELISON Andriamampionona Armand .



















 

Publié dans boky fianarana

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article