Ny "portable" mira serasera ,
Ny "internet" sy "ordinateur" ,
Dia solon-tsaina sy "informatique" ,
Vokariko avokoa ,f'izaho no "ELITE" .
Zavatra iray no mba tiako ambara ,
Ny boky dia tena mpampianatra tsara ,
Sakaizan'ny boky ny teknisianina ,
Sakaiza amin'ny andro ,sakaiza amin'ny alina .
Ny hasin'ny "TECHNIQUE" kajio ,
'Zay no hafatra kely ampitaiko eto anio ,
Fa ny zava-drehetra 'zay ianarantsika ,
Ampitso io mivadika ho "TECHNIQUE" .
Izaho "TECHNIQUE" no tena filoha ,
Ny sisa rehetra dia ambany avokoa ,
'Zay manenjika ahy dia izao no hiafarany ,
Tsy maintsy mifotetaka ,ambany dia ambany .