Ha! ha! ha! , 'zato resak'ankizy ,
Loha poak'aty ka be ambozizy ,
Dia te-hidingina toa rambon'osy ,
Ny volony anefa tsy ampy borosy .
Tsy fantatrareo mantsy aho ry zaza ,
Izaho no ra-"SCIENCES" tompon'ny laza ,
Ny fahalalàko dia tsy misy fetra ,
Hany ka haiko ny zava-drehetra .
Ny zava-boahary ambonin'ny tany ,
Na vato ,na biby ,na ahitra izany ,
Masoandro amam-bolana sy ny habakabaka ,
Haiko lazaina tsy misy avakavaka . Ny zava-mivaingana dia ny "solide" ,
Ny ranony kosa "fluide" sy "liquide" ,
"Radio" sy ny "Radar" , "rayons cosmique" ,
Dia haiko k'ampiako ny "bombe atomique" .
Ny tena mpanjaka dia izaho ra-"SCIENCE" ,
Ny sisa rehetra dia "ordonnances" .