6 -SCIENCES

Publié le par RANDRANA

Ha! ha! ha! , 'zato resak'ankizy ,
Loham-poak'aty ka be ambozizy ,
Dia te-hidingina toa rambon'osy ,
Ny volony anefa tsy ampy borosy .


Tsy fantatrareo mantsy aho ry zaza ,
Izaho no ra-"SCIENCES" tompon'ny laza ,
Ny fahalalàko dia tsy misy fetra ,
Hany ka haiko ny zava-drehetra .


Ny zava-boahary ambonin'ny tany ,
Na vato ,na biby ,na ahitra izany ,
Masoandro amam-bolana sy ny habakabaka ,
Haiko lazaina tsy misy avakavaka .


Ny zava-mivaingana dia ny "solides" ,
Ny ranony kosa "fluides" sy "liquides" ,
"Radio" sy ny "Radar" , "rayons cosmiques" ,
Dia haiko k'ampiako ny "bombes atomiques" .


Ny tena mpanjaka dia izaho ra-"SCIENCES" ,
Ny sisa rehetra dia "ordonnances" .



                                             RAOBELISON Andriamampionona Armand .

Publié dans boky fianarana

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
I
hahaha, iny rambon'osy tsy ampy borosy iny indray no mbola tsy reko. Misaotra fa mitombo ny hay e.
Répondre