Lundi 10 novembre 2008
Mangina ,mangina tsy tiako ho heno
Ny foko mivonto ka feno dia feno ,
Mba dedaka foana mitanisanisa  ,

Kanefa tsingetana , fa tsy adrisa .



Mirebika foana ... koa dia ... mba mahay ,
Mangina ,fa sao dia zerako kitay ,
Tsy mihevitra akory vao be tafasiry ,
Tys tazana angaha t'izaho mankadiry .


Izaho " HISTOIRE" no boky andrandraina ,
Ny fahalalàko manaitra ny saina ,
Izaho irery ihany
no mahay milaza ,
Ny tantaran'ireo firenena malaza .


Ny toe-mpanjaka mifandimbidimby ,
Tiana ho hain'ireo fara sy
dimby ,
Ny asa sy hevitry ny olo-m
alaza ,
Dia tsara ho fantatr'ire
o mbola zaza .

 Izaho no mpampianatr'izany azy ireny ,
Mba ahalalàny ity fireneny ,
Izaho no namboly tanatin'ny sainy ,
Ny "patriotisme" tsara ho hajainy .

K'izaho no tena mpanjakan'ny boky ,
Ny sisa rehetra tsy azoko toky .



                                      RAOBELISON Andriamampionona Armand .
Par RANDRANA - Publié dans : boky fianarana
Ecrire un commentaire - Voir les commentaires - Recommander
Retour à l'accueil

Présentation

Recherche

Créer un Blog

 
Créer un blog sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus